Eny Saravo ndray isika @ 13-14/08/11

Started by Nary on Tuesday, August 2, 2011

Participants:

Showing all 1 post
Today at 1:54 AM

Karakôry aby ee!

Ny sabotsy lasa teo dia nivory tetsy Ampahibe tao am Loly ny komity ka toy izao ny fandehany:

Araka ny efa voalaza tany alooooha be tany dia eny Saharavo ndray isika @ 13 sy 14/08/11 izao.
Sady fitsangantsanganana io no fihaonana no sady hanatsarantsika ny tanàna tsy fointsika.
Hamboarintsika @'io ny lakozia izay efa iaraha-mahita ny zava-misy. Tsy mba mendrika ny hisy paillasse misy évier sy carreau am'zay ve io efitra io e? Hein?
Hamboly zana-kazo fihinam-boa 3 na 4 eo isika.

Hoan'izay tsy hitondra fiara dia toy izao ny fitaterana :

* Sabotsy am 08 ora ny fiaingana eny Mahazo ka i tonton Mamy (033 29 190 32) sy Loly (033 11 738 09) no hiandraikitra ny famandrihana ny fiara.
* Alahady am 03 ora ny fialana eny Saharavo.

* Ny sakafo dia toy izao : Tsy misy mitondra vary intsony. Sabotsy atoandro : samy mitondra laoka sy voankazo sns. Sabotsy hariva: Vary amin'anana sy saosisy ary kitoza. Alahady maraina: Mofo sy dité ary kafe no ady eo! Alahady atoandro: henakisoa sy petit pois (samy mitondra MANTA sady bobaka be io ka ny sabotsy hariva no ketrehina miaraka. Dray dray dray!)

* Ny fialam-boly : Sabotsy : ny kilonga hilalao avy hatrany arak'zay tratry ny heriny. Ny lehibe hiasa kely kalongany rehefa reraka vao milalao.
Ny sabotsy alina hifoha alahady dia hisy fialamboly tsy ialam-bola : Hirahira miaraka am Damama, karaoke, Loto, karatra
. Hisy groupe électrogène, syhthét, gitara, laptop hanaovana karaoké.
* Ny fandriana dia ny vehivavy sy ny papozy no mahazo ny lohalaharana. Ny lehilahy matevin-koditra ho eny anjorombala.
koa samia mitondra akanjo faran'izay mafana rey olona, sao ianao ka hanavy!
* Hisy fitokanana ny zava-bita ny alahady arahana fakana sary sns.

Miangavy antsika ho tonga maro ary e!

Bye daholo eeee!

TIAKO BE NAREEEO!

Prezdà Nary (032 53 972 85) numéro taloha efa dila!

Showing all 1 post

Create a free account or login to participate in this discussion